Tsisy miantso mihitsy ? Inona no atao ?
Tsisy miantso mihitsy ? Inona no atao ?

Efa betsaka ny CV nalefanao nefa tsy mahita asa ihany ianao ? Ireto misy torohevitra.

Havaozy sy hatsarao ny zava-drehetra

Hatsarao hatrany ny CV anao. Jereo sao misy diso na mitadiava fomba hanatsarana azy.

Toy izay ihany koa ny mombamomba anao eny amin’ny tambazotran-tserasera sy ny tranonkala. Hatsarao ny momba anao ary aoka ianao ho mora hita eny amin’ny tranonkala. Mandraisa anjara amin’ny resaka mifandray amin’ny asa tadiavinao ary maninona raha manokatra lahatsoratra na blaogy hizarana torohevitra hampisongadinana ny fahaizanao ?

Aza ajanona ny serasera

Aza adino ny mamaky gazety sy mihaino vaovao isan'andro.

Mahaiza mifanerasera amin’ny havana aman-tsakaiza ary koa ny mpiara-miasa fahiny fa mety ho avy amin’ireny no ahitanao asa.

Manatreha an’ireny hetsika fitadiavana asa ireny.

Aza misalasala manantona mivantana na miantso ny orinasa mahaliana anao.

Mandiniha-tena ary mitomboa fahalalana

Mandiniha tena ny amin’ny fitadiavan’asa ataonao.

Misy traikefa tsy ampy ve ? Misy fahalalana mila ampitomboina ve ? Hianaro izay tsy hay. Misy "logiciel" mila hianaranao ve ? Mila manatsara ny fiteny anglisy ve ? Hianaro.

Nisy « entretien » nataonao ve nefa tsy voaray ianao ? Inona no mety ho lesoka ? Tsy nahavaly fanontaniana ve ianao ? Menatra loatra ve ? Tsy nandresy lahatra ve ? Hatsarao ny fahaizanao miatrika « entretien ».

Velaro ny fitadiavanao

Sao dia tsy mahay mitady asa ianao ? Aiza ianao no mitady asa ? Amin’ny gazety ve sa mampiasa tranonkala ?

Tsy ampy raha amin’ny sehatra na toerana iray ihany no hitadiavanao asa. Velaro ny fomba fitadiavanao ary karohy hatraiza hatraiza ny asa. Aza atao tsitapatapaka izany ara aza atao kitoatoa.

Afaka tonga dia mihiditra amin’ny tranonkalan’ny orinasa mahaliana anao koa ianao ka ao no mijery ny tolotrasa misy satria tsy voatery ho eny amin’ny gazety foana ny orinasa no mitady mpiasa.

Aza avela hisy andro iray handalo ka tsy hamakianao gazety na tolotra vaovao amin’ny internet, Aoka ianao havitrika hatrany.

Aza manonofy

Mandiniha indray tena kely raha mitsingerina ny volana nitadiavanao asa ka nandamoaka.

Lafo loatra ve ny karama tadiavinao ? Sao mba asa tsy mifandraika amin’ny fianarana sy traikefanao no tadiavinao .? Sao dia tsy misy eo an-toerana ny asa tadiavinao ka mila mandinika any an-toeran-kafa ianao no hitady asa ? Vonona hifindra ve ianao ?

Maka aina

Efa voalaza teto hoe efa tena asa ny fitadiavana asa. Toy ny asa rehetra ary dia mahaiza maka aina mba tsy ho kivy sy ho ketraka ianao.

Retour à l'accueil